hahitako ny hasambaran’ny olom-boafidinao, hifaliako amin’ny fifalian’ny vahoakanao, ary hiravoravoako miaraka amin’ny lovanao.
Isaia 51:4 - Baiboly Katolika Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna Aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihainoa Ahy, ry vahoakako! Ary atongilano Amiko ny sofinareo ry oloko! Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko; ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. DIEM PROTESTANTA «Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalàna; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalàna; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa Baiboly Protestanta Malagasy Mihainoa Ahy, ry vahoakako, Ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; Fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, Ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. Malagasy Bible Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. La Bible en Malgache Mihainoa Ahy, ry vahoakako! Ary atongilano Amiko ny sofinareo ry oloko! Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko; ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. |
hahitako ny hasambaran’ny olom-boafidinao, hifaliako amin’ny fifalian’ny vahoakanao, ary hiravoravoako miaraka amin’ny lovanao.
Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra Izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aeloia!
Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny Aho; henoy, ry Israely, fa hananatra Aho, Izaho no Elohima, Andriamanitrao.
Fihirana nataon’i Asafa. Henoy ny fampianarako, ry vahoakako, atongilano amin’ny tenin’ny vavako, ny sofinao.
fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»
koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»
ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Izaho Iaveh no niantso anao, tamin’ny fahamarinana, sy nandray tanana anao, miaro anao Aho ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an’ny vahoakako sy fahazavan’ny firenena,
Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Fa hoy Izy: «Eny, oloko izy ireo, zanaka tsy mba hivadika!» Ka dia Mpamonjy ho azy ireo Izy.
Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
tamin’izay ambanin’ny Lalàna aho, dia nanao toy ny ambanin’ny Lalàna (na dia tsy ambanin’ny Lalàna aza), mba hahazoako izay ambanin’ny Lalàna; tamin’izay tsy manan-dalàna aho, dia toy ny tsy manan-dalàna (na dia tsy olona tsy manan-dalàna amin’Andriamanitra aza aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazoako ny tsy manan-dalàna;
Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga: