Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.»
Isaia 50:3 - Baiboly Katolika Azoko tafiana fahamaintisana ny lanitra, sy saronana amin’ny lamba fisaonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tafiako haizina ny lanitra ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. DIEM PROTESTANTA Azoko atao ihany koa ny mandrakotra mainty ny lanitra ka mampitafy azy lamba fisaonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Azoko atao ihany koa ny mandrakotra mainty ny lanitra ka mampitafy azy lamba fisaonana. Baiboly Protestanta Malagasy Tafiako fahamaintisana ny lanitra, Ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. Malagasy Bible Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. La Bible en Malgache Tafiako haizina ny lanitra ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.»
Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.
Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.
Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.
Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra;