Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 5:22 - Baiboly Katolika

Loza ho an’izay mahery amin’ny fisotroan-divay, sy matanjaka amin’ny fampiharoharoana ny fisotro mahery!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lozan’izay raindahiny amin’ny fisotroan-divay sy mahery amin’ny fampiharoharoana karazan-toaka!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Lozan’ireo olona mahery misotro divay sy kinga amin’ny fampifangaroharoana toaka!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lozan’ireo olona mahery misotro divay sy kinga amin’ny fampifangaroharoana toaka!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lozan’izay fatratra–nefa amin’ny fisotroan-divay ihany, Sy izay kanto –nefa amin’ny fampiharoharoana toaka ihany!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lozan’izay raindahiny amin’ny fisotroan-divay sy mahery amin’ny fampiharoharoana karazan-toaka!

Jereo ny toko



Isaia 5:22
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka hamely izy ireo, nony nitataovovonana ny andro, ary i Benadaba mbamin’ireo mpanjaka 32 nanampy azy dia mbola nisotro sy nimamo tao an-trano rantsan-kazo tamin’izany.


Aza mandray kolikoly fa mahajamba ny mahiratra ny kolikoly, ka tsy ahombiazan’ny ady marina.


Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.


Ho an’iza ny indrisy? Ho an’iza ny endrey? Ho an’iza ny fanditra? Ho an’iza ny fimonjomonjoana? Ho an’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? Ho an’iza ny maso mivaivay?


Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela, tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay, na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;


fandrao manadino ny lalàna izy, raha misotro; ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.


Kanjo fety amam-piravoravoana no hita; manominda omby ny olona, mamono ondry, mivoky hena sy misotro divay, manao hoe: «Aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty ihany rahampitso.»


Tsy misy misotro divay intsony ny olona eo am-pihainoan-kira; ary mangidy amin’ny mpisotro azy, ny fisotro mahamamo.


Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;


Loza ho an’izay mihazakazaka hatramin’ny vao maraina mitady fisotro mahamamo, ary manalava ny filerany amin’ny hariva, efa voarehitry ny divay.


«Avia ianareo, hoy izy, fa haka divay aho, ary hiboboka zava-pisotro mahery isika; ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany, dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa.»


Loza ho an’izay mampisotro ny namany, dia ianao izay mampidina ny hatezeranao, mandra-pahamamony, mba hijery ny fitanjahany!