Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 5:18 - Baiboly Katolika

Loza ho an’izay mitari-keloka amin’ny kofehim-pitaka sy ota, toy ny amin’ny mahazakan-tsarety!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny famitahana, ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsarety

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Lozan’ireo olona voazioga toy ny omby ho valin’ny ratsy nataony! Toy ny itarihana sarety no hitarihany ny famaizana vokatry ny otany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lozan’ireo olona voazioga toy ny omby ho valin’ny ratsy nataony! Toy ny itarihana sarety no hitarihany ny famaizana vokatry ny otany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsariety,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny famitahana, ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsarety

Jereo ny toko



Isaia 5:18
23 Rohy Ifampitohizana  

Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra; efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»


Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.


Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.


Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozàna no fisotrony,


Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.»


Fa feno fijangajangana ny tany; noho ny fanozonana dia misaona ny tany; maina ny kijana any an’efitra. Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy; ny heriny dia ny tsy rariny.


Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.


Misy olona mahay miery amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako? - teny marin’i Iaveh- Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va Aho? - teny marin’i Iaveh.-


Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.


Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»


Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;


Izao no hatao amin’izany andro izany: Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema, ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!


Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.


Ary na izaho koa aza, dia efa nihevitra fa tsy maintsy manao izay tratry ny aiko aho hanohitra ny Anaran’i Jesoa avy any Nazareta,


Ary hoy i Mikasy hoe: «Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy i Iaveh satria manana an’ity Levita ity ho mpisorona aho.»


Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.