Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 45:4 - Baiboly Katolika

I Jakôba mpanompoko, sy i Israely voafidiko, no niantsoako anao tamin’ny anaranao; sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho ny fitiavako ny firenen’i Jakôba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho ny fitiavako ny firenen’i Jakôba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko No niantsoako anao tamin’ny anaranao Sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.

Jereo ny toko



Isaia 45:4
18 Rohy Ifampitohizana  

ry taranak’i Abrahama mpanompony, tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.


Dia ho lovan’i Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindram-pony.


Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!


Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!


Ary ankehitriny, mihainoa, ry Jakôba mpanompoko sy ianao, ry Israely voafidiko.


Ny amin’i Sirosy dia milaza Aho manao hoe: «Mpiandry ondriko izy; hanatanteraka ny sitrapoko manontolo izy, hilaza amin’i Jerosalema hoe: ‹Haorina indray anie ianao!› Sy amin’ny tempoly hoe: ‹Hatsangana indray anie ianao!› »


ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany.


Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny.


Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao: ‹Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra›. Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no toriko aminareo:


Ahoana àry izany? I Israely tsy nahazo izay notadiaviny, fa izay nofidin’Andriamanitra no nahazo; ny sisan’izay nohajambaina,


Tsy dia ny tenin’Andriamanitra tsy akory no foana; fa izay taranak’i Israely no tsy tena Israely avokoa,


fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.


fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,