Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!
Isaia 44:16 - Baiboly Katolika Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho! DIEM PROTESTANTA Araka izany ny antsasaky ny vatan-kazo dia dorana amin’ny afo ka itonoany hena; manatsatsika hena ny olona ka voky, na mamindro koa izy ka manao hoe: «Andray! Mafana aho izany! Nahita afo aho!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka izany ny antsasaky ny vatan-kazo dia dorana amin’ny afo ka itonoany hena; manatsatsika hena ny olona ka voky, na mamindro koa izy ka manao hoe: «Andray! Mafana aho izany! Nahita afo aho!» Baiboly Protestanta Malagasy Ny sasany dorany amin’ny afo, Eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! Malagasy Bible Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! La Bible en Malgache Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho! |
Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!
Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany.
Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!