Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Isaia 43:8 - Baiboly Katolika Avoahy ny olona jamba mana-maso, sy ny marenina manan-tsofina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ento mivoaka ny olona jamba nefa mana-maso, ary ny marenina nefa manan-tsofina. DIEM PROTESTANTA Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina. Baiboly Protestanta Malagasy Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso Sy ny marenina manan-tsofina. Malagasy Bible Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. La Bible en Malgache Ento mivoaka ny olona jamba nefa mana-maso, ary ny marenina nefa manan-tsofina. |
Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Ary hoy izy: «Mandrenesa ianareo, fa aza mahafantatra; aoka hahita ianareo, fa tsy hahazo an-tsaina.
Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!
«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.»