Isaia 42:17 - Baiboly Katolika Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy, izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe: Ianareo no andriamanitray.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe: Ianareo no andriamanitray! DIEM PROTESTANTA Aoka hianòtra amin-kenatra tokoa ianareo mitoky amin’ny sampy sady milaza amin’ny sarivongana hoe: «Ianareo no andriamanitray.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka hianòtra amin-kenatra tokoa ianareo mitoky amin’ny sampy sady milaza amin’ny sarivongana hoe: «Ianareo no andriamanitray.» Baiboly Protestanta Malagasy Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, Dia izay manao amin’ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray. Malagasy Bible Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin'ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray. La Bible en Malgache Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe: Ianareo no andriamanitray! |
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Noraisiny tamin’ny tanan’izy ireo izany, dia namboariny tamin’ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak’omby anidina. Ary hoy izy ireo: «Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy; fa olombelona ihany ny mpanao azy! Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!... Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra.
Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;
Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin’i Iaveh. -