Isaia 41:8 - Baiboly Katolika Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko, ianao, ry Jakôba nofidiko, taranak’i Abrahama, sakaizako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ianao kosa, ry Israely mpanompoko, ry Jakoba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako! DIEM PROTESTANTA Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako, Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, Sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’i Abrahama sakaizako, Malagasy Bible Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, La Bible en Malgache Fa ianao kosa, ry Israely mpanompoko, ry Jakoba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako! |
Tsy Ianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity teo anoloan’i Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao mandrakizay?
Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh amin’ny taranak’i Jakôba, dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama: «Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny.
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
Tsarovy izany zavatra izany, ry Jakôba, ry Israely ô, fa mpanompoko ianao! Izaho namorona anao mba ho mpanompoko ianao; tsy hanadino anao Aho, ry Israely!
I Jakôba mpanompoko, sy i Israely voafidiko, no niantsoako anao tamin’ny anaranao; sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
«Mihainoa Ahy, ry Jakôba, sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.
Diniho i Abrahama rainareo; sy i Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy. dia notahiko sy nohamaroiko.
Ianao anefa no Rainay; fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Israely tsy mahafantatra anay. Ianao, Iaveh, no tianay; Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.
Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe: «Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!» Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.
Fa mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo ka tsy hamidy toy ny fivarotra andevo.
«Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako;
ary aza manao anakampo hoe: ‹Manana an’i Abrahama ho rainay izahay›; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’i Iaveh ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
Fa vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ary nofidin’i Iaveh mba ho vahoakany manokana amin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.