Isaia 41:7 - Baiboly Katolika Ny mpanefy mankahery ny mpanao anidina; ny mpandama amin’ny tantanana mankahery ny mively eo amin’ny riandriana; hoy izy, miantso ny faninginana: «Tsara ity»; dia homboany amin’ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena, ary izay mandama tamin’ny maritoa mampahery izay mively eo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity! Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy mba tsy hihozongozona. DIEM PROTESTANTA Ny mpanefy vy mampahery ny mpanefy firavaka; ary ny mpandama amin’ny tantanana kosa mampirisika ny mpively amin’ny riandriana sady loa-bolana ny amin’ny solohoto hoe: «Tsara ity!» Dia homboany amin’ny fantsika ny sampy mba tsy hihozongozona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpanefy vy mampahery ny mpanefy firavaka; ary ny mpandama amin’ny tantanana kosa mampirisika ny mpively amin’ny riandriana sady loa-bolana ny amin’ny solohoto hoe: «Tsara ity!» Dia homboany amin’ny fantsika ny sampy mba tsy hihozongozona. Baiboly Protestanta Malagasy Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, Ary izay nandama tamin’ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, Dia nohomboany mafy tamin’ny hombo izy mba tsy hihozongozona. Malagasy Bible Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona. La Bible en Malgache Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena, ary izay mandama tamin’ny maritoa mampahery izay mively eo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity! Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy mba tsy hihozongozona. |
Volafotsy voatefy avy any Tarsisa, volamena avy any Ofaza; asan’ny mpisokitra sary, asan-tanan’ny mpanefy volamena! Tafîna jaky volomparasy sy mena izany; asan-tanan’ny mpahay zavatra avokoa izy ireny.
Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»