Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.
Isaia 41:5 - Baiboly Katolika Mahita izany ireo nosy, ka raiki-tahotra; mangovitra ny vazantany; manatona izy ireo ka tonga. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahita ny nosy ka raiki-tahotra. Toran-kovitra ny vazan-tany. Dia nanatona izy ireo ka tonga. DIEM PROTESTANTA Nahita izany ka raiki-tahotra ny mponina any amin’ny nosy lavitra; manatona amin-kovitra sy tonga koa ny avy any am-paran’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahita izany ka raiki-tahotra ny mponina any amin’ny nosy lavitra; manatona amin-kovitra sy tonga koa ny avy any am-paran’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany, Dia nanatona izy ka tonga. Malagasy Bible Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga. La Bible en Malgache Nahita ny nosy ka raiki-tahotra. Toran-kovitra ny vazan-tany. Dia nanatona izy ireo ka tonga. |
Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.
mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
Ankona amin’ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra; ampiravoravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.
Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey, mahatahotra ny asanao! Mikoy Anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.
Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana
Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy, amin’ny andro hianjeranao, ary ny nosy eo amin’ny ranomasina, dia ho raiki-tahotra amin’ny iafaranao.
Renay ny nanamainan’i Iaveh ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy, tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna sy i Oga, izay nataonareo anatema.
Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.