Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Isaia 41:12 - Baiboly Katolika Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony, ry zareo mila sotasota aminao; hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona, ry zareo miady aminao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hotadiavinao izay mifanditra aminao fa tsy ho hitanao; ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. DIEM PROTESTANTA Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao fa tsy ho hitanao; hanjary tsinontsinona sy zava-poana ireo mpiady aminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao fa tsy ho hitanao; hanjary tsinontsinona sy zava-poana ireo mpiady aminao. Baiboly Protestanta Malagasy Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, Ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. Malagasy Bible Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. La Bible en Malgache Hotadiavinao izay mifanditra aminao fa tsy ho hitanao; ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. |
Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana, kanjo nony mahatsiaro dia foana ny fanahiny; ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo nony mahatsiaro, anan’ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy. Dia tahaka izany no hahazo an’ireo firenena maro ireo, izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siôna.
Izao no lazain’i Iaveh: Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.
Amin’izany andro izany hofaranako ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.