Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh, dia niteny taminy i Iaveh sy nanao fahagagana ho azy.
Isaia 38:8 - Baiboly Katolika Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy, eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.› » Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka. DIEM PROTESTANTA Ny tohatr’i Ahaza, izay azon’ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan’ny aloka; indro fa hampihemorin’ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.» Dia azon’ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka teo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tohatr’i Ahaza, izay azon’ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan’ny aloka; indro fa hampihemorin’ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.» Dia azon’ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka teo. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ny masoandro azy teo amin’ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. Malagasy Bible Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. La Bible en Malgache Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka. |
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh, dia niteny taminy i Iaveh sy nanao fahagagana ho azy.
Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.
Zavatra nosoratan’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin’ny aretiny:
«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»
Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.
Hoy i Jedeôna taminy: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.