Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 37:12 - Baiboly Katolika

Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako dia i Gôzàna, i Harama, i Resefa, ary ny taranak’i Edena, izay any Telasara?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako, dia i Gozana, i Harana, i Rezefa ary ny taranak’i Edena izay tao Telasara?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fony nandrava an’i Gôzàna sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita ireo razako, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fony nandrava an’i Gôzàna sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita ireo razako, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’i Edena izay tao Telasara?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako, dia i Gozana, i Harana, i Rezefa ary ny taranak’i Edena izay tao Telasara?

Jereo ny toko



Isaia 37:12
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.


Dimy amby roan-jato taona no andro niainan’i Tare. Dia maty tao Haràna izy.


Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny.


Ary i Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.


Dia niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.


Ary hoy i Jakôba tamin’ireo mpiandry ondry: «Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo?» Hoy ny navaliny azy: «Avy any Haràna izahay.»


Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.


Dia nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria i Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron’i Habôra, onin’i Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda,


Moa nahavonjy azy va ny andriamanitr’ireo firenena noravan’ny razako, dia i Gôsàna, i Haràna, i Resefa, mbamin’ny taranak’i Edena, tany Telasara?


Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?


Aiza ny andriamanitr’i Emata sy i Arfada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaima? Moa nanafaka an’i Samaria tamin’ny tanako va ireny?


Iza tamin’ireo andriamanitry ny firenena rehetra ireo no nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, no hahavonjen’i Iaveh an’i Jerosalema amin’ny tanako?


Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ary ny mpanjakan’ny tanàna Sefarvaima, ny an’i Anà, ny an’i Avà?»


I Haràna, i Sene sy i Edena, ny mpandranto avy any Sabà, i Asora sy i Kelmàda nifampivarotra taminao:


tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.


Homontsaniko ny hidin’i Damasa, haringako ny mponina ao Bikata Avena, ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena; ary hoentina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria,» hoy i Iaveh.


Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,