Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Isaia 34:9 - Baiboly Katolika Hanjary dity ny reniranony, ho solifara ny vovo-taniny, ary ho tonga dity mahamay ny taniny, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny; ho toy ny dity mirehitra ny taniny. DIEM PROTESTANTA Hanjary toy ny dity ny ranon-driakan’i Edôma, hiova ho solifara ny vovo-taniny. Hanjary sahan-dity mirehitra io tany io; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanjary toy ny dity ny ranon-driakan’i Edôma, hiova ho solifara ny vovo-taniny. Hanjary sahan-dity mirehitra io tany io; Baiboly Protestanta Malagasy Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, Ary ho solifara ny vovo-taniny, Ary ny taniny ho dity mirehitra. Malagasy Bible Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. La Bible en Malgache Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny; ho toy ny dity mirehitra ny taniny. |
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.
Fa efa voaomana hatramin’ny ela i Tôfeta; io koa dia efa voaomana ho an’ny mpanjaka. Nataon’ny Tompo malalaka sady lalina izy; misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin’ny antontan-kitainy; ny fofon’ain’i Iaveh tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.
Satria, izao no efa nianianako tamin’ny Tenako, - teny marin’i Iaveh: - I Bôsrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa, ho tany efitra sady voaozona; ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:
Toy izany i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin’ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.
Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»