Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.
Isaia 34:16 - Baiboly Katolika Izahao ao amin’ny bokin’i Iaveh ka vakio: Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza, na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao. Fa ny vavan’i Iaveh no efa nandidy izany, ary ny fofon’ainy no nanangona azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tadiavo ny bokin’NY TOMPO ka vakio! Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza; tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; fa ny vavan’NY TOMPO no nandidy izany, ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy. DIEM PROTESTANTA Raha mitady ao amin’ny bokin’ny TOMPO ianareo, dia ho afaka hamaky izao teny izao: Tsy misy tsy ao ireo biby ireo na iray aza, ary tsy misy sahirana mitady ny andiany satria ny baikon’ny Tompo no nandidy izany ary ny Fanahiny no nanangona azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mitady ao amin’ny bokin’ny TOMPO ianareo, dia ho afaka hamaky izao teny izao: Tsy misy tsy ao ireo biby ireo na iray aza, ary tsy misy sahirana mitady ny andiany satria ny baikon’ny Tompo no nandidy izany ary ny Fanahiny no nanangona azy. Baiboly Protestanta Malagasy Izahao ao amin’ny bokin’i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’i Jehovah no nandidy izany, Ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy. Malagasy Bible Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy. La Bible en Malgache Tadiavo ny bokin’NY TOMPO ka vakio! Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza; tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; fa ny vavan’NY TOMPO no nandidy izany, ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy. |
Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.
Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistinina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ny laharana, ny antoko-miaramilany.
Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin’ny fàfana izany, ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky, hany ka amin’ny andro ho avy dia ho vavolombelona mandrakizay izany.
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»
dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.
Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany mpanompony.
Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe: «Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.
Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra, dia samy miresaka tamin’ny namany avy. Ary i Iaveh kosa nihaino, ka nahare Izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Iaveh sy manaja ny Anarany.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,
Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;
Koa rehefa hidiran-doza amam-pahoriana be izy, dia izao tononkira izao no ho vavolombelona hiampanga azy, fa tsy ho very tadidy, tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao. Satria efa fantatro izay saina eo aminy hatramin’ny ankehitriny, na dia alohan’ny hampidirako azy any amin’ny tany nampanantenaiko tamim-pianianana aza».
Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.
Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.