Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.
Isaia 34:12 - Baiboly Katolika Tsy hisy intsony ny lehibe hanangana mpanjaka; ary hofoanana avokoa ny mpanapaka ao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hisy ho ao intsony ny lehibe hanendry izay ho mpanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. DIEM PROTESTANTA Tsy hisy andriana intsony hifidy mpanjaka sady ho foana avokoa ny filohany rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hisy andriana intsony hifidy mpanjaka sady ho foana avokoa ny filohany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, Fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. Malagasy Bible Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. La Bible en Malgache Tsy hisy ho ao intsony ny lehibe hanendry izay ho mpanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. |
Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»
izay tsy nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fony izy nitondra ho babo, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehiben’i Jodà sy i Jerosalema rehetra.
Ireo zanaka lahin’i Sedesiasa novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imasony, tao Reblà; ny lehibe rehetra tamin’i Jodà, novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna koa.
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Nisarin’adala aho, fa efa nasesikareo. Ianareo indrindra no tsy maintsy nidera ahy, noho izaho tsy latsaka noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo, na amin’inona na amin’inona, na dia tsinontsinona aza aho.