Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 33:4 - Baiboly Katolika

Hangonina hoatra ny fanangon’ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hangonina tahaka ny fanangona valala ny babonareo, tahaka ny firohotana eo amin’ny sompanga no hirohotana eo aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr’andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr’andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ny valala, Tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hangonina tahaka ny fanangona valala ny babonareo, tahaka ny firohotana eo amin’ny sompanga no hirohotana eo aminy.

Jereo ny toko



Isaia 33:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.


Dia nandeha i Jôsafata sy ny vahoakany haka babo tamin’ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa.


Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin’ny fiorenany izy; ary tsy mahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin’izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo.


Mandositra ny vahoaka mandre ny feon’ny kotro-baratrao miparitaka ny firenena nony mitsangana Ianao.


Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.


noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.


Ny sisan’ny Gazàna nohanin’ny valala; ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.


Honerako aminareo ny taona nolevonin’ny valala sy ny ieleka ary ny kasila sy ny gazàna, izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.


Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.


Miely eran’ny tanàna izy, mihazakazaka eo ambonin’ny manda, mananika ny trano, mitsofoka amin’ny varavarankely toy ny mpangalatra.