Notafiako toy ny lamba ny fahamarinana, kapaoty amam-pefilohako ny fanaovako ny rariny.
Isaia 28:5 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany i Iaveh ho diadema mamirapiratra sy fehiloham-boninahitra ho an’ny sisan’ny vahoakany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany dia ny TOMPOn’izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon’ireo sisa velona amin’ny vahoakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany dia ny TOMPOn’izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon’ireo sisa velona amin’ny vahoakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany Jehovah, Tompon’ny maro, dia ho satroboninahitra tsara tarehy Sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa, Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa, La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa. |
Notafiako toy ny lamba ny fahamarinana, kapaoty amam-pefilohako ny fanaovako ny rariny.
Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe: «Voninahitra ho an’ny marina!» - Fa hoy aho: «Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»
Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»
Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra, sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh, ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa, ny taranak’i Israely rehetra.
Ny masoandro tsy ho fanazavana anao amin’ny andro intsony; ary ny fisomambisambin’ny volana tsy hitsilo anao intsony; fa i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao, ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao.
Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao, sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.
Ny filohan’i Jodà hanao anakampo hoe: Ny mponina ao Jerosalema dia hery ho ahy avy amin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’izy ireo.
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.