Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -
Isaia 25:12 - Baiboly Katolika Ny mandanao avo be, harodany, hazerany, hatontany amin’ny tany, anatin’ny vovoka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Harodany sy haetriny ny mandanao mafy sy avo ka hataony mikasika amin’ny tany sy mihosom-bovoka. DIEM PROTESTANTA Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba, dia efa nazeran’ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba, dia efa nazeran’ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny màndanao mafy sy avo dia harodany Ka haetriny sy hofongorany hatramin’ny tany, dia hatramin’ny vovoka. Malagasy Bible Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka. La Bible en Malgache Harodany sy haetriny ny mandanao mafy sy avo ka hataony mikasika amin’ny tany sy mihosom-bovoka. |
Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -
Faminaniana ny amin’i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra i Ara-Moâba. Ny alina nandrobana azy, i Kira-Moaba dia fongotra.
Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.
Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy; naniva ny tanàna miezinezina, naniva azy amin’ny tany, nataony mikasika ny vovoka Izy
An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran’ny vahoaka, ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.
sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’i Babilôna, sy tsy hifongarany intsony, avy amin’ny loza hahàtrako aminy, fa ho lavo lany hery izy. Hatreo ny tenin’i Jeremia.
Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan’i Jakôba rehetra. Narodany tamin’ny hatezerany ny mandan’ny zanaka vavin’i Jodà. Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana ama-mpanjaka.
Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao; nosimbanao ny fahendrenao azon’ny famirapiratanao, ka nazerako amin’ny tany ianao, sady natolotro ho fizahan’ny mpanjaka.
Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarina, ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe: «Hazera tampoka hoatra izany i Babilôna tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony!