Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 22:23 - Baiboly Katolika

Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny fitoerana mafy izy, ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hatsatoko toy ny fanantonan-javatra eo amin’ny toerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Halentiko toy ny tsatòka eo amin’ny toerana mafy izy, ka ho tonga anaram-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Halentiko toy ny tsatòka eo amin’ny toerana mafy izy, ka ho tonga anaram-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ny fitoerana mafy izy Ka ho sezam-boninahitra ho an’ny mpianakavin-drainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hatsatoko toy ny fanantonan-javatra eo amin’ny toerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.

Jereo ny toko



Isaia 22:23
12 Rohy Ifampitohizana  

Nisy andro anefa nanehoan’i Iaveh Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afaka izahay, ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina, mba hanazavan’ny Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay eo anatin’ny fahandevozana.


Tsy mampiala ny masony amin’ny olona marina Izy, sady mametraka ireny amin’ny seza fiandrianana miaraka amin’ny mpanjaka, ataony tafaorina ho mandrakizay, ka dia tafasandratra izy ireo.


Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana omby; ny boky nanangonana azy toy ny fantsika voahombo; atolotry ny Mpiandry iray monja ireo teny ireo.


Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra amin’ny fianakavian-drainy, dia ny zanaka aman-jafy, ny fanaka madinika rehetra, hatramin’ny kopy ka hatramin’ny sinibe.


Amin’izany andro izany - teny ton’i Iavehn’ny tafika,- hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin’ny fitoerana mafy; hombotana izy ka hianjera, dia ho levona ny entana nahantona taminy; fa efa niteny i Iaveh.


Avy aminy no hiavian’ny antoko-miaramila, avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana; avy aminy avokoa no hivoahan’ny filoha rehetra.


Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.


Esoriny amin’ny vovoka ny mahantra; atsangany hiala amin’ny zezika ny tsy manana, hampiarahiny mitoetra amin’ny mpanjaka, ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. Fa an’i Iaveh ny andrin’ny tany, ary teo amboniny no nametrahany ny tany.