Ny sasany mitoky amin’ny kalesiny; ny sasany amin’ny soavaliny; fa isika kosa miantso ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika.
Isaia 2:17 - Baiboly Katolika Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona, ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry; Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany. DIEM PROTESTANTA Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fireharehan’ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany. Malagasy Bible Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany. La Bible en Malgache Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona, ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry; Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany. |
Ny sasany mitoky amin’ny kalesiny; ny sasany amin’ny soavaliny; fa isika kosa miantso ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!
Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika, ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina