Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.
Isaia 19:25 - Baiboly Katolika Hitahy azy ireo i Iavehn’ny tafika hanao hoe: «Hotahina anie i Ejipta, vahoakako, sy i Asora, asan’ny tanako, ary i Israely lovako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 satria hotahin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Ejipta oloko, sy Asiria asan’ny tanako, ary Israely lovako! DIEM PROTESTANTA Fa hotahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tokoa izy telo tonta ireo ka hataony hoe: «Hotahîna anie i Ejipta vahoakako sy i Asiria asan’ny tanako ary i Israely anjara fananako!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hotahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tokoa izy telo tonta ireo ka hataony hoe: «Hotahîna anie i Ejipta vahoakako sy i Asiria asan’ny tanako ary i Israely anjara fananako!» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hotahin’i Jehovah, Tompon’ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, Sy Asyria, asan’ny tànako, Ary Isiraely lovako. Malagasy Bible Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako. La Bible en Malgache satria hotahin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Ejipta oloko, sy Asiria asan’ny tanako, ary Israely lovako! |
Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Amin’izany andro izany i Israely hikambana amin’i Ejipta sy i Asiria, izy no fahatelony, mba ho fitahiana eo amin’ny tany.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
Fa izy sy ireo taranany, rehefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy, dia hanamasina ny Anarako izy ireo», hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely. Ireo Mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Masin’i Israely sy izay namorona azy: «Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin’ny ho avy, dia ny hanome didy Ahy ny amin’ny zanako sy ny asan’ny tanako?
Izao no lazain’i Iaveh: «Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia, sy ny Sabeanina olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompona aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»
Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin’ny vahoakanao, ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo; dia izy ireo solofo namboleko, asan’ny tanako, noarîna ho voninahitro.
Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena; ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.
Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny fokon’ny lovanao!
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo mbamin’ny solofony miaraka aminy.
Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.
Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.
Izao no ho tonga amin’izany andro izany: Izaho hamaly, - teny marin’i Iaveh, - Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra, ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany;
Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin’ny firenena, ry taranak’i Jodà sy taranak’i Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tananareo!»
Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.
Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa? Eny, Andriamanitry ny Jentily koa izy;
Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.