Amin’ireo mahalala ahy hotononiko i Rahaba sy i Babilôna; indreo koa ny Filistinina sy i Tira mbamin’i Etiôpia: tao ireo no teraka.
Isaia 19:23 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany hisy lalana avy any Ejipta mankany Asiria; ka ny Asirianina ho tonga ao Ejipta, ny Ejiptianina ho any Asiria, dia hanompo an’i Iaveh i Ejipta miaraka amin’i Asora. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia hisy lalambe avy any Ejipta mankany Asiria, koa ny Asiriana dia hankany Ejipta, ary ny Ejiptiana kosa dia hankany Asiria, ary hiara-manompo ny Ejiptiana sy ny Asiriana. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany, dia hisy lalambe hampitohy an’i Ejipta sy i Asiria. Ny Asirianina hankany Ejipta, ary ny Ejiptianina hankany Asiria, ka hiara-manompo ny TOMPO izy roa tonta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany, dia hisy lalambe hampitohy an’i Ejipta sy i Asiria. Ny Asirianina hankany Ejipta, ary ny Ejiptianina hankany Asiria, ka hiara-manompo ny TOMPO izy roa tonta. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany dia hisy làlambe avy any Egypta mankany Asyria, Koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, Ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. Malagasy Bible Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia hisy lalambe avy any Ejipta mankany Asiria, koa ny Asiriana dia hankany Ejipta, ary ny Ejiptiana kosa dia hankany Asiria, ary hiara-manompo ny Ejiptiana sy ny Asiriana. |
Amin’ireo mahalala ahy hotononiko i Rahaba sy i Babilôna; indreo koa ny Filistinina sy i Tira mbamin’i Etiôpia: tao ireo no teraka.
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.
Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Amin’izany andro izany i Israely hikambana amin’i Ejipta sy i Asiria, izy no fahatelony, mba ho fitahiana eo amin’ny tany.
ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»
Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo, areno ny lalan’ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.
Isaky ny voalohan’ny volana isaky ny voalohan’ny volana, sy isan-tsabata isan-tsabata, ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy i Iaveh.
Amin’izany andro izany, ho tonga hatraty aminao ny olona, avy any Asiria sy avy any amin’ireo tanànan’i Ejipta avy any Ejipta, ka hatrany amin’ny ony, hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa, ary hatramin’ny tendrombohitra iray, ka hatramin’ny tendrombohitra hafa.