Isaia 14:8 - Baiboly Katolika Ny sipresy aza mifaly amin’ny fahalavoanao mbamin’ny sedera any Libàna: Hatrizay nahalavoanao teo izay, tsy misy olona miakatra hikapa anay intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eny, ny hazo kipreso sy ny sedera any Libanona dia hifaly ny aminao hoe: Hatrizay nahalavo anao izay dia tsy misy mpikapa hazo miakatra atỳ aminay intsony. DIEM PROTESTANTA Ny kipreso sy ny sederan’i Libano koa, noho izao manjo ilay mpanjakazaka izao, dia samy faly ka nanao hoe: «Hatrizay nahafatesanao izay, dia tsy nisy niakatra hanjera anay intsony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny kipreso sy ny sederan’i Libano koa, noho izao manjo ilay mpanjakazaka izao, dia samy faly ka nanao hoe: «Hatrizay nahafatesanao izay, dia tsy nisy niakatra hanjera anay intsony.» Baiboly Protestanta Malagasy Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay. Malagasy Bible Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay. La Bible en Malgache Eny, ny hazo kipreso sy ny sedera any Libanona dia hifaly ny aminao hoe: Hatrizay nahalavo anao izay dia tsy misy mpikapa hazo miakatra atỳ aminay intsony. |
Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.
Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.
Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera, voasimba ny hazo tsara mahagaga. Midradradradrà, ry oaka ao Basàna, fa ripaka ny ala mikirindro!