Isaia 14:7 - Baiboly Katolika Indro miadana ny tany rehetra, mandry feizay izy, velona ny hobin-kafaliana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miadana ka mandry fehizay ny tany manontolo; velominy ao ny hoby. DIEM PROTESTANTA Mandry fahalemana ny tany tontolo ka velon-kiram-pihobiana ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandry fahalemana ny tany tontolo ka velon-kiram-pihobiana ny olona. Baiboly Protestanta Malagasy Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,– Malagasy Bible Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby, La Bible en Malgache Miadana ka mandry fehizay ny tany manontolo; velominy ao ny hoby. |
Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.
Mifaly ny tanàna, raha sambatra ny marina; mihoby hafaliana ny olona, raha ringana ny ratsy fanahy.
Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»
Ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, hanao hobin-kafaliana, noho ny amin’i Babela; satria hiantontàn’ireo mpandringana, avy any amin’ny tany avaratra izy, - teny marin’i Iaveh. -
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny hifalian’ny tany rehetra, ianao kosa hataoko lao.
Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.
Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.