Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 14:14 - Baiboly Katolika

hisondrotra any an-tampon’ny rahona, ary hitovy amin’ny Avo-Indrindra!›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hiakatra ho any ambonin’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hiakatra eny an-tampon’ny rahona aho ka hitovy amin’Andriamanitra Avo Indrindra.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hiakatra eny an-tampon’ny rahona aho ka hitovy amin’Andriamanitra Avo Indrindra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hiakatra ho any ambonin’ny havoan’ny rahona aho Ka ho tahaka ny Avo Indrindra;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hiakatra ho any ambonin’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra.

Jereo ny toko



Isaia 14:14
12 Rohy Ifampitohizana  

fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo amin’izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.»


Na hapàkany amin’ny lanitra aza ny reharehany, ka hitehina amin’ny rahona ny lohany,


Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.


Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.


Fa ankehitriny, mihainoa, ry ilay nihantahanta, izay nipetraka tsy nanana ahiahy akory, sy nilaza tao am-ponao hoe: «Izaho ity, dia izaho irery ihany! tsy ho mpitondratena na oviana na oviana aho, na hofoanana anaka!»


Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.


Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratany ny fony,


izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.