Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin’ny fara rindrina hatrany amin’ny tany ka hatrany amin’ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho Fitoerana Masina, Fitoerana Masina indrindra.
Hebreo 9:3 - Baiboly Katolika Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tao ambadiky ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe ny fitoerana masina indrindra. DIEM PROTESTANTA Tambadiky ny efitra lamba faharoa, dia nisy tranolay izay antsoina hoe Toeramasina Indrindra: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tambadiky ny efitra lamba faharoa, dia nisy tranolay izay antsoina hoe Toeramasina Indrindra: Baiboly Protestanta Malagasy Ary ao anatin’ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe ,ny fitoerana masina indrindra,’ Malagasy Bible Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra," La Bible en Malgache Tao ambadiky ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe ny fitoerana masina indrindra. |
Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin’ny fara rindrina hatrany amin’ny tany ka hatrany amin’ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho Fitoerana Masina, Fitoerana Masina indrindra.
Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny toerany ny Fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia tao amin’ny Toerana Masin’ny trano, ao amin’ny Fitoerana Masina indrindra, teo ambonin’ny elatry ny kerobima.
Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amborodara.
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Hotriariny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ary amin’ny ilan’ny tempoly dia nandrefy roapolo hakiho izy amin’ny an-davany, ary roapolo hakiho amin’ny sakany, dia hoy izy tamiko: «Io ny fitoerana masina indrindra».
Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.
Ambaran’ny Fanahy Masina amin’izany fa tsy mbola naseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao koa ny tranolay voalohany.