Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Hebreo 9:21 - Baiboly Katolika Dia nofafazany ra toy izany koa ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra enti-manao raharaham-pivavahana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa. DIEM PROTESTANTA Nofafazan’i Mosesy ra toy izany koa ny tranolay sy ireo fanaka rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nofafazan’i Mosesy ra toy izany koa ny tranolay sy ireo fanaka rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa. Malagasy Bible Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. La Bible en Malgache Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa. |
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
ka angalao ny ran’ny ombalahy atenteno amin’ireo tandroky ny ôtely amin’ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny ôtely avokoa ny sisa.
Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.
«Vantotr’ombalahy iray isan’andro no hatolotrao ho sorona noho ny ota, ho fanoneram-pahotana. Izany fanonerana izany no hanavotanao ny fahotana amin’ny ôtely, dia hanosotra azy ianao, hanamasinana azy.
Halainao ny diloilo fanosorana dia hohosoranao ny Fonenana mbamin’izay rehetra ao aminy; hohamasininao izy sy ny fanaka rehetra momba azy, dia ho masina izy.
Namono azy i Môizy dia naka tamin’ny ra dia notentenany manodidina tamin’ny rantsan-tanany ny tandroky ny ôtely ary nanadio ny ôtely izy, naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy.
Novonoiny ny ombalahy aman’ondralahy hatao sorom-pihavanana ho an’ny vahoaka. Natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka dia naidiny manodidina amin’ny ôtely.