Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.
Hebreo 7:1 - Baiboly Katolika Io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema, mpisoron’ny Avo Indrindra, nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa io Melkizedeka io dia mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitsodrano azy DIEM PROTESTANTA Io Melkitsedeka io dia mpanjakan’i Salema ary mpisoron’ilay Andriamanitra avo indrindra. Fony i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, dia i Melkitsedeka no nitsena azy sy nitsodrano azy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io Melkitsedeka io dia mpanjakan’i Salema ary mpisoron’ilay Andriamanitra avo indrindra. Fony i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, dia i Melkitsedeka no nitsena azy sy nitsodrano azy; Baiboly Protestanta Malagasy FA io Melkizedeka io, izay mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, Malagasy Bible Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, La Bible en Malgache Fa io Melkizedeka io dia mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitsodrano azy |
Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.
Na dia izany aza, mbola naka fanahy sy nihantsy an’Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo, ka tsy nitandrina ny didiny.
Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak’omby efa iray taona?
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy,»
Rafitra nanaraka anay sy i Paoly izy io, sady niantso hoe: «Ireto lehilahy ireto no mpanompon’Andriamanitra Avo indrindra, izay hanoro anareo ny lalam-pamonjena.»
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho Mpialoha antsika, rehefa natao mpisorom-be mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra; mpanjakan’ny fahamarinana no hevitr’anarany voalohany, vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe mpanjakan’ny fiadanana;
tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
fa izy izay tsy iray razana amin’izy ireo akory indray, dia sady nandray ny ampahafolon-karena tamin’i Abrahama no nitso-drano azy izay nahazo ny teny fampanantenana koa!