Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 4:6 - Baiboly Katolika

Koa noho ny sasany dia mbola mahazo miditra ao, fa ireo nitoriana voalohany no tsy tafiditra noho ny tsy finoany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana Filazantsara tamin’ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsy finoany,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, ireo voalohany nandre ny Vaovao Mahafaly dia tsy tafiditra tao amin’izany toeram-pitsaharana izany, satria tsy nanaiky; fa mbola mahazo miditra ihany ny sasany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, ireo voalohany nandre ny Vaovao Mahafaly dia tsy tafiditra tao amin’izany toeram-pitsaharana izany, satria tsy nanaiky; fa mbola mahazo miditra ihany ny sasany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana Filazantsara tamin’ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsy finoany,

Jereo ny toko



Hebreo 4:6
14 Rohy Ifampitohizana  

ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko; ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.


Hasiako amin’ny pesta sy hofongorako izy, ary ianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy.»


Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona.


Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.


Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao, dia hoentina any amin’ny Jentily, ka horaisiny an-kafaliana.


Izao no hevitro, ry kristianina havana: fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana;


Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.


Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.


Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.


ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.