Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatỳ, dia azo an-keriny ny fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
Hebreo 4:11 - Baiboly Katolika Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka izany koa. DIEM PROTESTANTA Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin’izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan’ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin’izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan’ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Baiboly Protestanta Malagasy Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsi-finoana tahaka izany koa. Malagasy Bible Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. La Bible en Malgache Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka izany koa. |
Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatỳ, dia azo an-keriny ny fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;
Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
«Ny Lalàna sy ny Mpaminany no niroso hatramin’i Joany, fa hatramin’i Joany kosa dia ny Fanjakan’Andriamanitra no torina, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona.»
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao,
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana;
Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fialàny sasatra, afa-tsy ry zareo tsy nanaiky?
Koa noho ny sasany dia mbola mahazo miditra ao, fa ireo nitoriana voalohany no tsy tafiditra noho ny tsy finoany,
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy, hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
Nony tafaverina tao amin’i Jôsoe izy ireo, dia nilaza taminy hoe: «Aoka tsy ny vahoaka rehetra no hiakatra; olona roa na telo arivo ihany no hiakatra dia ho resiny i Haia, ka aza manasatra ny vahoaka rehetra any amin’izany tanàna izany, fa vitsy izy ireo.»
matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan’i Sôdôma sy i Gômôra, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy atỳ aoriana;