Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.
Hebreo 3:6 - Baiboly Katolika fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa Kristy kosa dia Zanaka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiana sy firavoravoana ateraky ny fanantenana. DIEM PROTESTANTA Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary dia isika izany tranon’Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary dia isika izany tranon’Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika. Baiboly Protestanta Malagasy fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. Malagasy Bible fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. La Bible en Malgache fa Kristy* kosa dia Zanaka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiana sy firavoravoana ateraky ny fanantenana. |
Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo?
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana Azy.
raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.
Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.
fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina,
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,
Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy, hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirana fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra.
Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Tiatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano.
Ary izay handresy ka haharitra amin’ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ny firenena;
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.