Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 3:11 - Baiboly Katolika

koa nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.7-11).

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tezitra Aho ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tezitra Aho ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary araka izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy’’ (Sal. 95.7–11).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izany no nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.7-11).

Jereo ny toko



Hebreo 3:11
13 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia nanainga ny tanany Izy hamely azy ireo, handringana azy any an’efitra:


Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.»


Ny Amalesita sy ny Kananeanina no monina amin’ny lohasaha; koa rahampitso mihodìna ianareo ary miaingà ho any an’efitra amin’ny lalan’ny Ranomasina Mena.»


Izany no nentiko, Izaho Iaveh. Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona atỳ an’efitra atỳ izy, ho faty atỳ.»


Valo amby telopolo taona no naharetan’ny diantsika hatrany Kadesa-Barne ka hatramin’ny nitantsika ny ranon-driaka Zareda, dia mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin’izany taranaka izany, araka ny efa nianianan’i Iaveh tamin’izy ireo.


Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.


ary eto indray, hoy izy: Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.


ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.