Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 2:4 - Baiboly Katolika

sady Andriamanitra koa efa nankatò Azy tamin’ny famantarana sy fahagagana, ary tamin’ny asa lehibe samihafa mbamin’ny fanomezana nozarazarain’ny Fanahy Masina araka ny sitrapony?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samihafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin’ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin’ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina izay nozarazarain’Andriamanitra araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin’ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin’ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina izay nozarazarain’Andriamanitra araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samihafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.

Jereo ny toko



Hebreo 2:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.


Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;


Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy.


Fa hoy i Jesoa taminy: «Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino.»


Fa na izany aza, dia nitoetra ela tao ihany izy roa lahy, ka nitory tamin-kasahiana noho ny fitokiany ny Tompo, izay nanamarina ny tenin’ny fahasoavany tamin’ny nampanaovana azy ireo famantarana sy fahagagana.


dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.


Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany.»


ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;


fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,


Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.


Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina,