Hebreo 12:21 - Baiboly Katolika Loza loatra no niseho tamin’izay, ka i Môizy avy no vaky hoe: «Tsiravina sy rano an-dravina aho!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary satria mampahatahotra ny fahitana, dia hoy i Mosesy: «Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho» (Deo 9.19). DIEM PROTESTANTA Nahatsiravina loatra ny zava-niseho ka hoy i Mosesy: «Mangorohoro aho fa matahotra loatra.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahatsiravina loatra ny zava-niseho ka hoy i Mosesy: «Mangorohoro aho fa matahotra loatra.» Baiboly Protestanta Malagasy ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: ,,Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho’’ (Deo. 9.19). Malagasy Bible ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo. 9.19). La Bible en Malgache ary satria mampahatahotra ny fahitana, dia hoy i Mosesy: «Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho» (Deo 9.19). |
Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy, ka namaly feo azy Andriamanitra.
Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan’i Iaveh taminareo, ka efa saika hataony levona ianareo, saingy mbola nihaino ahy indray i Iaveh tamin’izay.
fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;