Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, afaho amin’ny ra nalatsaka aho, dia hidera ny fahamarinanao ny vavako.
Hebreo 10:4 - Baiboly Katolika satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. DIEM PROTESTANTA fa ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy dia tsy hanaisotra ny fahotana na oviana na oviana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy dia tsy hanaisotra ny fahotana na oviana na oviana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Malagasy Bible Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. La Bible en Malgache Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. |
Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, afaho amin’ny ra nalatsaka aho, dia hidera ny fahamarinanao ny vavako.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.
Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo, rehefa voaesotra ny fahotany.
Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.
Ary ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny;
Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -
Ary fanoharana tandrifin’ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina.
Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy.