Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Hebreo 10:12 - Baiboly Katolika fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa Izy kosa, rehefa avy nanolotra fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Fa i Kristy kosa dia nanolotra sorona fanalana ny ota indray mandeha monja ho sorona manan-kery mandrakizay, ary efa mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Kristy kosa dia nanolotra sorona fanalana ny ota indray mandeha monja ho sorona manan-kery mandrakizay, ary efa mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra; Baiboly Protestanta Malagasy fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, Malagasy Bible fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, La Bible en Malgache fa Izy kosa, rehefa avy nanolotra fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. |
Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
Fa rehefa mety ho mpisorom-be ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,
ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!