Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 1:13 - Baiboly Katolika

Ary iza tamin’ny Anjely no nataony hoe: Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao»? (Sal 110.1)

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy misy na oviana na oviana anjely nilazan’Andriamanitra hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy misy na oviana na oviana anjely nilazan’Andriamanitra hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa anjely iza no mba nilazany hoe: ,,Mipetraha eo an-tànako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao’’? (Sal. 110.1.)

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao»? (Sal 110.1)

Jereo ny toko



Hebreo 1:13
16 Rohy Ifampitohizana  

Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.


Hofonosiko henatra ny fahavalony, ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satroboninahiny.


Andriamanitra nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao ambara-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao?


Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.


Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.


nefa i Davida ihany no milaza ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana,


Fa i Etienina kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: «Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.»


Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.


Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.


Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.