Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hagay 2:6 - Baiboly Katolika

Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, - mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indray maka indray, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indray maka indray, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;

Jereo ny toko



Hagay 2:6
25 Rohy Ifampitohizana  

manifikìfika ny tany amin’ny fanorenany Izy, dia mihozongozona ny andriny.


Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary nitaraina tamin’ny Andriamanitro aho; ka reny tany an-tempoliny ny feoko; tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.


Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.


Fa rehefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.


Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.


Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona, sy anatin’ny zohy amin’ny tany, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.


Tsy vetivety foana va dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna, ary ny saha misy hazo mamoa dia hatao ala?


Ny tafiky ny lanitra rehetra ho zary vovoka; ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy; ary ny tafiny rehetra hiraraka hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka, hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin’ny aviavy.


Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana amin’ny fotoana fanosena azy, ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy, ny andro fararano.


ary noho ny fahasaro-piaroko amam-pirehitry ny fahatezerako - teniko izany, - amin’izany andro izany, dia hisy horohoron-tany mafy eo amin’ny tanin’i Israely.


Ny hazandrano ao an-dranomasina hangovitra eo anatrehako avokoa, mbamin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany, sy ny biby mandady rehetra mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; ny tendrombohitra hirodana, ny vatolampy hianjera; ary ny manda rehetra hikoa amin’ny tany.


Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.


Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hiatoato Izy.


Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana, no hijery ny fatiny miampatra eo hateloan’andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.