Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»
Hagay 2:12 - Baiboly Katolika Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay nahandroina na ny divay na ny diloilo na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Tsia! DIEM PROTESTANTA Aoka hatao hoe misy olona mitondra hena voahasina tamin’ny sorona ao anaty sisin-dambany; raha voakasiky ny lambany ny mofo na ny zavatra nahandroina, na koa ny divay na ny menaka na izay rehetra mety ho sakafo fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia hoy ny mpisorona tamin’i Hagay: –Tsia, tsy ho tonga masina ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka hatao hoe misy olona mitondra hena voahasina tamin’ny sorona ao anaty sisin-dambany; raha voakasiky ny lambany ny mofo na ny zavatra nahandroina, na koa ny divay na ny menaka na izay rehetra mety ho sakafo fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia hoy ny mpisorona tamin’i Hagay: –Tsia, tsy ho tonga masina ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia. Malagasy Bible Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia. La Bible en Malgache Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay nahandroina na ny divay na ny diloilo na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Tsia! |
Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»
Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.
Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin’ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hoesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin’ny efitranon’ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin’ny fitafiany izy.
Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany, ka eo amin’ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany.»
Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao, ary i Israely ny lalànao. Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.