Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hagay 1:3 - Baiboly Katolika

Ary tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany manao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia tonga ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nisy indray tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny vahoaka izany ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy indray tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny vahoaka izany ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tonga ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia tonga ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe:

Jereo ny toko



Hagay 1:3
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary ireo mpaminany, i Akzea mpaminany sy i Zakaria zanak’i Adô dia naminany tamin’ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin’ny Anaran’ny Andriamanitr’i Israely izay nanindry azy.


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon’i Iaveh indray.


Ary ho anareo kosa moa dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina, amin’izao aharavan’io trano io izao?


Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe: