Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny.
Genesisy 9:23 - Baiboly Katolika Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. DIEM PROTESTANTA Nalain’i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianòtra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianòtra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nalain’i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. Malagasy Bible Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy. La Bible en Malgache Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. |
Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny.
Niamboho ny tavan’izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin’ny hamamoany i Nôe dia nahare izay nataon-janany faralahy taminy,
«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»
Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an’Andriamanitra. Izaho no Iaveh.
Koa ataovy amin’izy rehetra àry izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ary haja ho an’izay tokony hohajaina.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.
Aza anarina mafy loatra ny anti-dahy, fa anaro toy ny ray izy; ary ny tovolahy, toy ny rahalahy;
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.
Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.