Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
Genesisy 9:21 - Baiboly Katolika Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy. DIEM PROTESTANTA Nisotro divay izy ka mamo ary nitanjaka tao an-dainy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisotro divay izy ka mamo ary nitanjaka tao an-dainy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisotro tamin’ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny lainy. Malagasy Bible Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy. La Bible en Malgache Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy. |
Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
amin’ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana;
Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao dia hahiratra ianao.