Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara.
Genesisy 8:9 - Baiboly Katolika Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromahailala, ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany. Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara. DIEM PROTESTANTA Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany, dia niverina tamin’i Noa tao anatin’ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambo-fiara. Malagasy Bible Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara. La Bible en Malgache Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara. |
Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara.
Ny voromahailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.
Iza moa ireto manidina hoatra ny rahona, sy hoatra ny voromahailala ho eo amin’ny tranony?
Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromahailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Any amin’izany firenena izany ianao, dia tsy ho afaka ahiahy ary tsy misy tany hitsaharan’ny faladianao; fo tebiteby, maso manjambena ary fanahy miferinaina no homen’i Iaveh anao any.