Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:8 - Baiboly Katolika

Ny voromahailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namoaka voromailala iray izay teo aminy izy, hahitany na efa kely ny rano tetỳ ambonin’ny tany na tsia.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nandefa voromahailala iray koa izy mba hahitany na efa nihena ny rano teny ambonin’ny tany na tsia.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nandefa voromahailala iray koa izy mba hahitany na efa nihena ny rano teny ambonin’ny tany na tsia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin’ny tany, na tsia.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namoaka voromailala iray izay teo aminy izy, hahitany na efa kely ny rano tetỳ ambonin’ny tany na tsia.

Jereo ny toko



Genesisy 8:8
7 Rohy Ifampitohizana  

ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo, mandra-mpaharîtra ny rano tambonin’ny tany.


Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromahailala, ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany. Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.


Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao! Masom-boromahailala, ny masonao.


Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao».


Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.