Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 6:14 - Baiboly Katolika

Ary ianao, manaova sambo fiara amin’ny hazo misy dity; asio efitrefitra izy, ary hosory ditin-tany ny atiny sy ivelany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa manamboara sambofiara amin’ny hazomenaka; hasianao efitrefitra ny sambofiara ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa, manaova sambo-fiara ho anao amin’ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa manamboara sambofiara amin’ny hazomenaka; hasianao efitrefitra ny sambofiara ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany.

Jereo ny toko



Genesisy 6:14
6 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran’ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin’ny tany.


Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan’ny sambo fiara; dimampolo hakiho no sakany ary telopolo no haavony.


Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy dinti-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.


Fa tamin’ny andro nialoha ny safodrano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,


nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.


dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.