Ary hoy ravehivavy: «Indro i Balà, ankizy vaviko, mandehana aminy mba hiterahany eo am-pofoako, sy hananako taranaka aminy koa.»
Genesisy 50:23 - Baiboly Katolika Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hitan’i Josefa ny zafiafin’i Efraima; ny zanak’i Makira, zanakalahin’i Manase koa dia naterak’i Josefa teo am-pofoany. DIEM PROTESTANTA ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitan’i Josefa ny zafiafin’i Efraima; ny zanak’i Makira koa, zanakalahin’i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany. Malagasy Bible Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany. La Bible en Malgache Hitan’i Josefa ny zafiafin’i Efraima; ny zanak’i Makira, zanakalahin’i Manase koa dia naterak’i Josefa teo am-pofoany. |
Ary hoy ravehivavy: «Indro i Balà, ankizy vaviko, mandehana aminy mba hiterahany eo am-pofoako, sy hananako taranaka aminy koa.»
Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»
Ka dia nonina tany Ejipta i Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany.
Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada.
Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izay; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanaka lahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.
Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.
Ny zanak’i Makira zanak’i Manase, nananika an’i Galaada, dia nahafaka azy, sy nandroaka ny Amôreana izay nonina tao.
Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.