Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Genesisy 50:18 - Baiboly Katolika Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: «Mpanomponao izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. DIEM PROTESTANTA Tonga tany amin’i Jôsefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: –Indreto izahay ho mpanomponao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga tany amin’i Jôsefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: –Indreto izahay ho mpanomponao. Baiboly Protestanta Malagasy Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. Malagasy Bible Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. La Bible en Malgache Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. |
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: «Mandohaliha.» Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta.
I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.
I Jodà sy ireo rahalahiny dia tonga tao an-tranon’i Josefa, fa mbola tao ihany izy, ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.
Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.
nanao hoe: ‹Izao no holazainareo amin’i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.› » Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.
Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho?