Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.
Genesisy 50:14 - Baiboly Katolika Nony vita levenana i rainy dia niverina ho any Ejipta i Josefa mbamin’ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa voalevina ny rainy dia niverina tany Ejipta i Josefa sy ny rahalahiny mbamin’izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. DIEM PROTESTANTA Rehefa avy nandevina ny rainy i Jôsefa, dia niverina tany Ejipta ny tenany sy ireo rahalahiny mbamin’ireo olona rehetra izay niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa avy nandevina ny rainy i Jôsefa, dia niverina tany Ejipta ny tenany sy ireo rahalahiny mbamin’ireo olona rehetra izay niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa voalevin’i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin’izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Malagasy Bible Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. La Bible en Malgache Rehefa voalevina ny rainy dia niverina tany Ejipta i Josefa sy ny rahalahiny mbamin’izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. |
Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»